|
Tsy tsaroako
intsony na firy taona aho na firy taona no nahay izany andalan-tononkalo izany
ary tsy fantatro akory izay nanoratra azy. Toy ny ankamaroan'ny vanton-jaza
naratram-pitia dia izay koa no mba nataoko fihononana sy fampitrakan- doha fa
lehilahy (???).
Efa ela be taty aoriana vao fantatro fa
tononkalon-dRabearivelo izy io ary ny tapany farany amin'ilay nampitondrainy ny
lohateny hoe Tsy hitony
tsy akory, niseho voalohany tamin'ny gazety "Diavolana", laharana 229,
ny 31 Janoary 1929.
Fa iza moa Rabearivelo ? Fantatrao izy? Ity àry ampitaiko ho anao fohifohy izay mba kely fantatro ny aminy indrindra amin'izao avy nahatsiarovana ny fahazatotaonan'ny nahaterahany izao.
Betsaka no mahalala azy amin'ny anarana ihany, maro no afaka mitanisa andininy roa na telo amin'ny poezia nosoratany, ny hafa sy ny tanora mpianatra dia tsy mahalala afa-tsy ilay sekoly miorina eo Analakely, Antananarivo antsoina hoe Lycée Rabearivelo, ka raha misy manontany hoe aiza no mianatra dia kinga ery mamaly amin'ny hoe "ao amin-dRabe". Izaho manokana dia tsy nahalala firy ny aminy hatramin'ny fotoana nandrenesako dinidinika tao amin' ny Radiompirenena Malagasy, fony aho mbola ankizy. Dinidinika nifanaovan-dRamatoa Jeanne Rasoanarimalala (Rasoabakobako) tamin'ny vadin' i J.J. Rabearivelo. Efa ela be izany, inoako fa efa any ambadiky ny telopolo taona lasa, tsy tsaroako intsony na ny taona aza fa mbola mitamberina ato an-tsaiko kosa ny feo reko. Nanomboka teo koa ny fitadiavako izay asa sorany ka nankafizako ny talentany.
Tao Isoraka, ny 4 Martsa 1901,
tao amin'ny
klinikan'i dokotera Villette ny zatovovavy tanora dia tanora antsoina hoe
RABOZIVELO no niteraka zazalahy nomeny ny anarana hoe Joseph Casimir
RABE. Lahitokana izy. Ny dadatoany no nitaiza an' i Joseph C. RABE izay avy
amin'ny Zanadralambo, andriana nitoetra teo amin'ny lemademaka malalaka
nampisaraka ny Tsimahafotsy sy ny Tsimiamboholahy;
Ambatofotsy, Avaradrano no tanàna
niavian'ny razany.
Tao amin'ny sekolin-dry Frera tao Andohalo izy no
nanomboka nianatra, avy eo dia tao amin'ny kolejy Saint-Michel izay nandroahana
azy teo amin'ny faha 13 taonany. Ny antony araka ny filazany ihany dia noho izy
namaky ny bokin' ireo mpanoratra voarara tsy azo vakiana. Rehefa niala tao
Amparibe Joseph Casimir Rabe dia niditra ny sekoly Flacourt tao Faravohitra
. Teo no tapitra ny fianarany tany an-tsekoly fa dia nampiana-tena sisa no
nataony.
Ny fahitako ny soratanan-dRabearivelo dia matetika tsotra, mampiasa teny tsy sarotra akory, mampiady rima dia izay! Kanefa ny firafitry ny teny dia hahatarafana ny fahaizan'ny mpandrafitra. Vakio ange Ny Alahelon'ny olombelona dia ho tsinjonao izany. Fa misy koa ny rafitra somary sarotsarotra ihany. Ilaina fahaiza-manokana sy talenta ny fanoratana azy ireny. Amiko dia sarotra kokoa ny mamorona tononkalo noho ny mamorona mozika na feon-kira. Raha mandinika ireo hira noforoniko hatramin'izay aho dia angamba ny 90 % dia ny tononkira foana aloha no vita mialoha vao mahita feony hatao aminy aho avy eo. Ary dia mandany andro kokoa aho eo am- panoratana ny tononkira fa ny feony toa mora azo ihany. Ity misy tononkiran-dRabearivelo izay nasian'i Naly Rakotofiringa feony ary nohirain' i Ludger Andrianjaka. Tafiditra amin'ny fanoratra amboaran-teny nolazaiko teo ambony hoe sarotra ny Eritreritra fahavaratra .
Ny asa voalohany
nataon-dRabearivelo dia
mpitantsoratry ny sefo de kantao (secretaire auprès du Chef de Canton) tao
Ambatolampy. Naharitra telo taona mahery tao izy ary dia niakatra tao
Antananarivo nanao sary dantelina (dessinateur en dentelles) tao amin-dRamatoa
Govarinera. Dia niasa tao amin'ny "Cercle de l'Union" tao amin'ny lalana Bergé.
Mpanao fanitsiana tao amin'ny "Imprimerie de l'Imerne" tao amin' Atoa Louis
Dussol kosa no asany farany izay tsy nilaozany intsony mandrapahafatiny. Fa teo
alohan'izay koa dia efa nanome fampianarana manokana teny frantsay izy izay
nahazoany namolaka tsara io fiteny io ka ny mpianany voalohany tamin'izany dia
ny zanaky ny mpakasary Razafitrimo nantsoina hoe Marguerite (Mary) izay lasa
vadiny rahateo (Jolay 1926) ary nananany zanaka dimy mianadahy: Solofo, Sahondra, Voahangy,
Noro ary Velomboahangy.
Nianatra ny literatiora frantsay izahay tany am-pianarana fahiny ary tafiditra tamin'izany i Paul Valery. Dia tsaroako indray ilay tenin'ny vadin-dRabearivelo raha nanontany Rasoanarimalala: "nanoratra ho azy i Paul VALERY". Hoy ny fitanakan'ny vavako: "Tena lehilahy lehibe izany !" Izao manaraka izao no voarakitry ny taratasy nalefany ho an-dRabearivelo:
| Académie Française |
| A Monsieur J.J. Rabearivelo |
| Monsieur, |
| Je vous
remercie d'avoir traduit en langue malgache l'un de mes poèmes. Mais
surtout je vous félicite de fonder à Madagascar un foyer de culture
littéraire française et indigène. Il faut semer et
cultiver la poésie dans toute terre où la vie artificielle n'est pas
encore toute puissante et ne découpe le temps, la méditation, la
rêverie des hommes. C'est peut-être dans ces îlots de poésie
que se conserveront des choses très précieuses
dont l'Europe semble se désintéresser aujourd'hui. Je fais des voeux pour l'heureux succès de votre effort et vous prie de croire à mes sentiments d'estime et de grande sympathie. Paul VALERY |
Voalazako tery am-piandohana
fa Joseph Casimir
Rabe no anaram-pahaterahany. Fony izy vao nanomboka nanoratra koa dia efa naka
ny solon'anarana hoe Amance VALMOND izy. Saiky ny mpanoratra frantsay rehetra dia
nankafiziny avokoa toa an-dry Charles Baudelaire, Appollinaire ary indrindra i Jean-Jacques
Rousseau izay nampitoviany ny fanafohizan'anarany : J.-J. R.
Tamin'ny fotoan'andro niainan-dRabearivelo dia hitako fa tena niroborobo
tokoa ny fanoratana tononkalo sy ny fifanakalozana nifamaliana tan-gazety.
Izaho
tsy milaza tsy akory hoe tsy misy intsony izany ankehitriny fa samy manana ny endriny. Ity
misy sary mirakitra ireo mpanoratra sy poety niara-niaina tamin-dRabearivelo. Azonao
poehana
(cliquer) ny sary raha te hahazo sary lehibe ianao. Ireto avy ireo olona hita ao
amin'ny sary, avy aty ambany, ankavia miankavanana :
zana-tohatra voalohany
Joseph Razafintsalama,
zana-tohatra faharoa : Emile Rasakaja, Ny Avana
Ramanantoanina,
zana-tohatra fahatelo : P. Rakotoarivony, JJ Rabearivelo,
zana-tohatra fahefatra : Charles Rajoelisolo,
zana-tohatra fahadimy :
Rahajason, Rafanoharana,
zana-tohatra fahenina : Titus Rasendrahasina,
Henri Razafimahefa
ary ery amin'ny zana-tohatra ambony indrindra no misy
an'i Benoît Rakotomanga.
Rabearivelo àry dia tsy
vitan'ny hoe nahantra fa tena azo
lazaina ho tsy nanana mihitsy. Tsy fantany akory ohatra matetika na dia izay harapaky ny vavan'
izy mianakavy kely ny ampitso aza. Ity no tonga amin'ilay fitenenana
hoe ny hohanina anio tadiavina anio, ny hohanina rahampitso tadiavina rahampitso.
Tsotra dia tsotra tokoa ny toeram-piasany: sezalava iray efa antitra, seza roa efa mitolila ary
latabatra kely izay ivangongoan'ny asasorany sy boky maro. Dia izay! Ary na izy tenany aza
angaha moa dia nihaingo firy nanakory ? Volo olioly saiky misarita-dava, lamba zara raha
tafatoetra eo ambony soroka, kaompile volombatolalaka sy kiraro fotsy. Izay no akanjo fitondrany
fony izy mbola tsy nanambady. Fohy toe-batana ny lehilahy, manify, somary be handrina ary nanana
maso kely mahery fandinika izy. Topazo maso fotsiny ny sariny dia ho fantatrao ny tiako hambara.
Tsy nanovo fianarana mikasika ny literatiora manokana ny tenako ka tsy afaka ny hitondra
mari-pikarohana sy fandalinana mikasika an-dRabearivelo sy ny asasorany aho. Saingy fantatry ny
mpamaky sy ny mpitia hirakanto na poezia fa poety malahelo i JJ Rabearivelo.
Nirotsahany avokoa ny sehatry ny fiainana ary nanana ny lanjany tamin'izany ny mahamalagasy azy
[ohatra ny tononkalo mikasika ny lamba na fasana mampiavaka ny malagasy. Inty àry
aroso ho anao ny
Fasana faharoa. Misy setriny manaraka izany avy hatrany ity raha mahaliana
anao Iriko koa].
Fa ny tsapako ho mampiavaka azy indrindra dia ny fitanisany matetika ny vesatry ny fiainana
sy ny ankasomparana
aterany. Tsy misy ny lafatra eto an-tany. Misy tononkalo
telo mifanesy ireto, Ny foko nanidina, sy
Fo mitohy ary Tsy embona, iangaviako ianao mba hamaky azy
ireo dia ho fantatrao fa tsy mba isan'irony mpanoratra tsy milaza afa tsy ny lafin-javatra tsara
iray ihany irony Rabearivelo. Eo foana ny
lafiny tsy maha tanteraka ny zavatra eto an-tany. Izay angaha no manamafy izay voalazako tery
ambony hoe poety malahelo izy.
Ankoatra ny teny malagasy sy frantsay dia nianatra ny teny espaniola sy "espéranto" koa i
JJ Rabearivelo. Nampiana-tena izy tamin'izany ary lasa lavitra tokoa tamin'ny teny espaniola
satria namoaka amboara tamin'izany fiteny izany dia ny "Vientos de la Mañana" tamin'ny
taona 1935. Indro atambatro amin'ny takelajoro (tableau) eto ambany ny asany miaraka amin'ny
daty nivoahan'izy ireny.
|
|
|
Ny antony iray fantatra fa tena
nandona azy mafy sady nanafaingana ny fandaozany izao fiainana izao dia ny fahafatesan' i
Voahangy, zanaka tiany manokana, maty tamin'ny 3 Novambra 1933 noho ny antony tsy fantatra. Tsy
laitra nampihononina tamin'io toe-javatra io intsony izy. Indroa Rabearivelo no nangataka
ny hivoaka ho any Frantsa kanefa tsy navelan'ny fitondram-panjakana (1930 sy 1935). Tokony hiseho
tao amin'ny Opéra tao Parisy (dihy nataon'i Serge Lifar) ny asany (Imaitsoanala)
kanefa izy tsy afaka nandeha tamin'izany akory.
Efa nandindona an-dRabearivelo
hatramin'ny fotoana ela ny fahafatesana. Tsy fantatra na noho ny antony inona no mahatonga izany
na noho ny antony inona,
- Tsy fahatanterahan'ny zavatra maro niezahany notratrarina
ve?
Fiteniny matetika tokoa mantsy ny hoe : "Tsy izao no toerana sahaza ho ahy sy tokony hisy ahy!"
- Fahadisoam-panantenana teo amin'ny asasorany sy ny fifandraisany tamin'ny hafa ve?
Olona
mikombona tsy mba mivelatra amin'ny hafa tokoa izy, saro-pantarina izay ao an-dohany sy ao
am-pony. Toy izany no nampangasihasy ilay tovovavy frantsay namaky ny "La Coupe des Cendres" ary
naniry ny hihaona tamin'ny mpanoratra: mangatsiaka loatra ny toetran-dRabearivelo.
-
Tsy
fahafantaran'ny hafa ny asany ve? Nanoratra taratasy maro izy (hatramin'ny telopolo isan'andro
indraindray) ary rehefa tsy mahazo valiny dia diso fanantenana, milaza fa irery tsy mba
tsaroan'ny hafa.
Nanampy trotraka an'izany koa ny tsy nahazoany
niditra niasa tao amin'ny Fandraharahana ny Firaketana na "Services des Archives". Ireny rehetra
ireny no nitambatra nampanakaiky azy ny fanapahan-kevitra ny hanapitra ny androny.
Ny zavatra iray mba mahavariana ahy koa dia ity: tsy mba mateza andro ny ankabeazan'ny kinga saina ikoizana (génie)sy malaza. Hevero ireto anarana manaraka ireto sy ny andro niainany: Wolfgang Amadeus Mozart (36 taona), Martin Luther King, Jr (39 taona), Printsesy Diana (36 taona), Radama I (36 taona), Claude François (35 taona) sns ary iza no tsy mahalala ny andro niainan'ny Tompo Jesoa Kristy tety an-tany naha olombelona Azy? (33 taona). Tafiditra tamin'ireny antoko ireny koa i JJ Rabearivelo (36 taona).
Zavatra saro-pantarina ny amin'ny famonoantena. Tsy azo
valiana boraingona hoe "hakanosàna" izany na dia an'isany koa aza. Tsy azo faritana avy
hatrany hoe "fitsoahana andraikitra" izany na dia an'isany koa aza. Anisan'ny zava-miafina
tsy ahitam-panazavana mazava sy entitra, hoy i Albert Camus, ny famonoantena. Olana lehibe mitoetra
amin'
ny firenen-dehibe ankehitriny ity famonoantena ity, indrindra ho an'ny vanton-jaza
(adolescents). Anisan'ny miteraka ny famonoantena ny alahelo sy ny fahatezerana, mitarika famoizampo;
Alahelo ilay "resy" nanapitra ny androny, hatezerana noho ny antony izay fantatra na tsy fantatra
nahatonga ny famonoantena, ary famoizampo noho ny fisarahana mangidy. Raha mamaky ny Tanala Very Sampy aho dia
mahita taratra ny adim-panahin-dRabearivelo noho ny toe-javatra mitranga kanefa mahita
setriny hatrany izy amin'ny hambon-dehilahy entina mijoro satria lehilahy.
Dia mampanontany tena hoe tena tsy zaka intsony mihitsy ve no nilavo lefona e? Tsy ampy vesatra
ve ny lanjan'ilay vady sy ny zanaka efatra fa nahery fisintona kosa ilay sombiniaina efa lasa
nialoha lalana? Ity tononkalo Nosoratana tao anatin'ny fangorakorahana
nivoaka folo taona mahery talohan'ny namonoany tena ity dia efa ahitana taratra sahady ny
fara-fiainany. Mety tsy hitovy hevitra amiko ianareo mpamaky fa amiko manokana dia ity
tononkalon'ny mpanoratra ity no ahitana taratra indrindra ny hatsilon-tsainy ikoizana
(génie) na amin'ny rafiteny (syntaxe) izany na amin'ny ventin-kevitra (contenue) na koa
amin'ny fomba fanoratra (style).Raha atao teny indraim-bava dia hoe:
fatratra. Manasa anao aho hamaky avy hatrany koa ity tononkalo amin'ny teny
frantsay ity izay azo lazaina fa mifandraindraika amin'ilay teo aloha ihany,
Le chant inconnu de Childe-Harolde.
Fa ny tena mahavariana sy mampitampim-bava dia ny firaketany an-tsoratra
ny fotoam-pahafatesany hatramin'ny minitra farany. Sanatria tsy lasa biby be (monstre) tia
mamiravira sy mampangirifiry ny nofo marefo sy ny malemy ve izy, izay tsy iza fa ny tenany
ihany? Raha
izaho manokana dia tsy te handika ireto minitra farany ireto aho kanefa dia tsy maintsy aseho
satria tafiditra amin'ny tantaran-dRabearivelo izany, tsy tiany hosarahina amin'ny tantaram-piainany
matoa noraketiny an-tsoratra!
Alohan'ny namonoany tena dia
nandramany tamin'ny saka aloha ny poizina ("quinine" miampy "cyanure de potassium") ary afa-po
izy rehefa nahita fa maty tsy tra-drano io saka io. Andeha àry
hanjohy ny minitrany farany isika. Andro talata 22 Jona 1937. Tsy nijanona ela tany amin'ny
"imprimerie" toeram-piasany izy fa nody aloha. Nandritra ny tontolo andro maraina iny dia
nanoratra hatrany no nataony. Rehefa vita kosa ny sakafo antoandro dia hoy izy tamin'ny
vadiny:
-Misy asa ataoko fa mandehana ianareo mankany Ambatovinaky ary andraso any aho hatramin'
ny valo ora alina. (Ny mpakasary Ramilijaona, dadatoan'ny vadiny no any Ambatovinaky).
Rehefa avy nampirimpirina ny trano ramatoa vadiny dia naka ny ankizy ary namonjy an'Ambatovinaky.
Alohan'ny handehanan' izy ireo dia nanatitra azy teo ambany lavarangan'ny trano Rabearivelo ary
nanoroka ny vady aman-janany. Oroka farany. Niverina tao an-trano ny lehilahy...
| Amin'ny 2 ora
(tolakandro) latsaka 9 minitra amin'ny famantaranandroko. Maka pilina 14 amin'ny kininina 0,25g aho mba hanavesatra ny lohako. Arahako rano kely hitelemana azy. Handeha hamaky an'i Milosz Yggdrasil aho, ireo laharana roa farany ary handika ny tononkalo farany. Teo amin'ny taonan'i Guérin, teo amin'ny taonan' i Deubel, somary antitra kely kokoa noho ise Rimbaud mpanohitra ny tsy fisiana, satria ity fiainana ity dia mahery setra loatra ho antsika. Sady efa voatsentsitry ny tantely daholo koa ny mamim-boninkazo. Mamaky boky mangina aho Ny boky fianarana rehetra, diksionera sy gramera dia mijanona ho an-janako. Ny taratasy rehetra kosa dia omeo an'Atoa isany Baudry sy Jacques, ary rehefa vita izay ilàny azy dia miverina amin'ny fianakaviako Mary sy ianareo rehetra zanako, tiako be ianareo, eto amin'ny manodidina anareo eto lalandava aho... |
| Amin'ny 2 ora
sy 37 minitra amin'ny famantaranandroko. Manomboka ny vokatry ny kininina ao anaty ranon-tsiramamy, hitelina "cyanure de potassium" 10g mahery aho. Ny saiko manontolo dia mamihina ny fianakaviako. Mamaky boky aho ary mihatiako hatrany i André Gaillard. Mary, manàna asa, ny ady sarotra dia mbola hanefy anao ho tsara hatrany. Mianara sy mahaiza mandidy sy manjaitra ho an'ny vehivavy. Ho avy tsy ho ela ny boky mamelabelatra ny fianarana manjaitra, misorata amin'ny fianarana feno. |
| Amin'ny 3 ora
latsaka 9. Injao fa maneno, injao fa maneno ! Akipy ny maso mba hahita an' i Voahangy sady manomboka manao faraveloma mangina ny malalako mbola velonaina. Ray amandreny, namana. |
| Amin'ny 3 ora
latsaka 5 minitra.. Injao fa maneno, injao fa maneno ! Ho faty aho rehefa avy misotro ny verako. Mamihina ny malalako ny eritreritro manontolo. Fihiniko ny bokin-tsarim-pianakaviana. Orohako ny bokin'i Baudelaire atsy amin'ny efitrano an'ila. |
| Amin'ny 3 ora
sy 2 minitra.. Hisotro rano aho. Voasotro. Mary, ry zanako any aminareo avokoa ny eritreritro, ny farany. Mitelina siramamy kely aho. Sempotra aho. Andeha hitsilany aho... |

Izay no azoko natolotra ho anao.......
|
Misaotra manokana an' i Noro Rabearivelo-Rakotomanga aho (zanaky Rabearivelo); mankasitraka koa an'i Chantal Rakotomanga ( zafikelin-dRabearivelo). Ary mahatsiaro sy misaotra anareo rehetra fianakaviana. Misaotra tompoko!
Ny boky nakana izao dinidinika izao:
-S. RAJAONA, Takelaka Notsongaina, I-Tononkalo
(1969)
-JJ. RABEARIVELO, La Coupe des Cendres (1924)
-Madagascar Magazine, Nº11
(1998)
-S.ANDRIANI, Encyclopédie de Madagascar, III-
(eo am-pikarakarana).
|
Samoela ANDRIANI (USA, 2001)
|