TSY HITONY TSY AKORY
Na dia misy olon-tiana 
Hanakely ny mahory,
Sy hitondra hafaliana - 
Toy hitony tsy akory !

Na dia misy anjely soa 
Hanafoana sorisory, 
Sy hamalifaly koa - 
Tsy hitony tsy akory

Na dia manan-kery aza 
Ny fitia mamorivory, 
Dia sahiko ny milaza:
Tsy hitony tsy akory !

Tsy hitony tsy akory
Fa diso ny finoana 
Ry raozy e, esory 
Ny tsilo manoloana. 

Tsy hitony tsy akory 
F' efa diso fanantena !
Ny foko avela hatory, 
Hanadino e, ry sena !

Eny indrisy ! tsy hitony 
Fara hery : manadino. 
Fa ny tsy ho tia intsony 
'Zany kosa, aza mino !
				
J. Rabearivelo
(Gazety Diavolana laharana 229, 31 Janoary 1929)      



NY ALAHELON'NY OLOMBELONA Injay manako moramora, toa ra mipololotra, feo kely feno akora, sady latsa mafy loatra, Mitampody indray ny lasa, ka mamoha ny efa maty, zava-bery tsy voakasa, sady vata hoboka aty. Ao ny sasany tomany, ao koa ny ketra-po! Hisentoako eto izany, Holazaiko ny manjo. Fo kely iray maratra, notsaingohim-boron-tiana, hafaliana mahazatra, izao re itomaniana! Voronkely nantenaina hiaraka ory, hiara-paly, kanjo dia naningotra aina, kanjo kosa nampijaly. Safosafo tonga hoho, tonga ratra sady fery; hasambarana miamboho, mba tadiaviko, ka miery! Vata vola tsisy vody, tsangambato very laza, sambo vaky tsy ho tody: ray sy reny maty zaza! Voninkazo nokoloina, nefa kosa ka nalazo! Rehereha namboloina, vao tazana dia tsy azo! Ho lo ny ra sy ny nofo, 'zay nafindra tamin'iny! Ny hafaliany mantsy hiofo ho tadidy ny fahiny! Voronkely rava akany Zanak'ondry dia manjeny, singan'aina ambony tany: Ikala maty ray sy reny. Bodo zatra tambitamby, sy tamana angotongoty, Vao maraina dia somamby izany andron'ny kamboty! Andry koa re ka lavo, hantahanta aiza intsony! Ny fo mangorak ilay Avo no sisa hampitony!... Aiza kosa re, ry tany, izay mba mamy entinao? Sa toloko sy tomany no hitana lava izao? O! afero sy mangidy, izany ihany no fisotro, simbanao ny sarobidy, nitokiana sy nitrotro! Nantenain-ko Paradisa, ny fotoananao tontolo, kanjo tany hay madisa, feno angatra sy lolo! J.-J. Rabearivelo (Amboara voafantina, takila 86-87) ERITRERITRA FAHAVARATRA Mijononoka moramora ny orana avy hariva, Ny alina madiva, Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany, Ka hitondra any ho any... Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy Toa reraka, manahy? Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao Izay mameno, no injao Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina Toa rano nafanaina? Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory Ny jiroko. Matory Izay rehetra manoloana ny masoko mahery. Aiza ho aiza no miery, Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo? Avia mamoaka feo, Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao Izay tena teninao, Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy... Mitenena, ry Fanahy. Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany; Mangina koa ny tany, Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony, Tsy misy tsy mba tony... Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be Ny fitiavako handre Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra! Tsy mbola tena sambatra, Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina Ka he! mitaintaina! Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva. Ny andro dia madiva Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany Ka hamerina avy any... Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy Toa trotraka, manahy? Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao Izay namonto, no injao Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina, Toa rano nafanaina? J.J. Rabearivelo (Kalokalo Tatsinanana, tak.10-11) FASANA FAHAROA Ilay fasako, fasako ihany, fa ny foko dia fasana koa! Io no fasako ivelan'ny tany, io no fasako iray faharoa! Tsy mba vero na mba rangolahy no manafina an'io fasana io- fa nofoko zary manahy no mandrakotra omaly sy anio. Sentosentoko mamelovelo, ranomaso, toloko tsy tana- Izy ireny no sarin'avelo, mitampody ka sarotra ialana! Ao ny nofy novolavolaina, izay nisinda nalaky, tsy hita! Ao no rendrika ilay nantenaina, ilay sambo nataoko ho tafita! Ao ny tsantan'ny andro taloha sy ny hiran'ny fahazazako no milevina ka tsy mifoha, na miverina mba hitondra ako! Ao ny zava-drehetra voakasa, saingy simba, ka very tadidy! Ao ny taolan'ny androko lasa, sy ny ora tsy masi-mandidy! Ao ny nofo nikipaka mora, ao ny maty daholo daholo! Ao malazo na mbola tanora, ka mianjera tsy mana-mpisolo! Ilay fasako, fasako ihany, fa ny foko dia fasana koa! Io no fasako ivelan'ny tany, io no fasako iray faharoa! J.-J. Rabearivelo (Amboara voafantina, takila 85-86) IRIKO KOA He! sambatra ianao ry sakaiza Manan-toerana azo ampiasaina, Handevenana tsy ho afa-mankaiza Izay rehetra mandreraka saina! He! tretrika ianao manan-toby Azonao hanangonana "indrisy!" K'izay lasa tsy afa-mifody Sovenira sy tsiahy aza tsisy! Samy nofo ny anao sy ny ahy, Vitan-dra mikoriana sy aina Nofo lena sy zary manahy Fa tsy vato na koa tany maina. Fa ny ahy 'zay mba tiako ho noferana Injao nitroatra nipoitra avokoa; 'Zary sento sy hany fitserana No naterak'ireny tam-po. Tsy mba maty satria raha nalevina Tao anatin'ny foko mangina, Vao nafenina dia nampihevina Toa milaza: "tsarovy aho ry tiana!!" Izay niverina tsy mba avelo, Na tandinona saro-tazanina, Fa dia velona tsy nieloelo Nahatonga ny tena ho fanina! Ny fasako fasako ihany Fa ny foko dia iriko koa, Mba ho fasana ivelan'ny tany Fandevenana alahelom-po! J.L. (1979) NY FOKO NANIDINA Ny foko nanidina ambony dia ambony, ary saika hisetra izay faran'ny avo, kanefa voadona, ka tsy afaka intsony- naratra ny elany - ka indro izy lavo! Naniry hihoatra anao, ry masoandro mazava! Naniry tsy nijanona akory na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro: ny alina tamy ary koa sorisory! Koa aizina anio re no sisa mamonto, aizi-mitambatra sy mivangongo... Rotsiako mangina ny foko efa donto, ary safosafoiko ny masoko bongo! A! toa efa hionona izany alahelo... Sy hafeniko mba hijanona angaha? O tsia! fa ny sentoko mamelovelo, ary izaho tsy mandre afa-tsy fofon-dra! J.J.Rabearivelo (Lova takila 28) FO MITOHY Raha lavitra azy hoe: Toa lisy maina, toa raozy malazo, Misento fa ory sy manina anao, Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo? Asa, tsy fantatra hatramin'izao. Miofo ny loko, malazo ny taho, Toa zary bozaka, tsy lisy intsony. Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho, Toa rivo-baratra tsy mba mitony Miova ho fatana izany masoandro, Ny rivotra koa manjary mamono: Izany no fiainana maizina antoandro Manolo-poizina izay mila ronono Ny lira madinika, mozikan'Edena: Izany tsy re, izany tsy misy; Tsaroana fa singany irery ny tena, Tsaroana fa bozaka ilay tsy mba lisy. Ry vorona ery! Ry rivo-mandalo! Andeha mba ilazao ilay tiana sy tia Fa ketraka hoe ka tena mimalo Ilay tsy eo anilany lavitra aty. J.J. Rabearivelo (Lova, tak. 16) TSY EMBONA Valin-kira ho an'i Samuel RATANY Tsy mba zavatra vao, Fa tena fahita hatramin'ny ela Ny tahaka izao: Raha ritra ny rano, ny sisa tavela Dia fotaka monja - Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja! Ny hany fitana: Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana. Hany ka ana Ilay fo manantena firavoravoana Hatrany hatrany, Ka heriny sisa, nisotro tomany! Kanefa, hoy aho, Tsy hoe ranomaso voalokon'ny kiry Na ran'ny talaho No tonga nameno impiry, impiry Ilay fo nitadidy- No tonga nameno kapoaka mangidy! Fa hany nandoko, Dia volon-davenona hilaza fa maty Ilay afon'ny foko Nitsilo ny lakana nita tanatin' Ny fahatsiarovana Efa lavo sy lanin'ny fotoam-pahalovana! O! rivotra adala No sendra nandalo nanao tora-javona! Nony efa niala, Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona... Ka inona foana No tonga nanairany fanadinoana? Etsetra, etsetra... Dia inty aho tody fitana hafa indray; Ary tsy mba hitsetra Raha sendra miverina ilay fiainana iray Izay lasan'ny taona Nitoeran'ny foko efa nanala saona! Nikoro! Nifono Lavenona manja ny andro fahiny! Mivolon-dronono Ny kaopy nasoloko iny kaopiko iny! Ry fahatsiarovana, Hianao efa lanin'ny fotoam-pahalovana! Tena zavatra vao Sy mbola tsy hita hatramin'ny ela Ny torak'izao: Ny rano efa ritra - tsy nisy tavela, Na fotaka monja! Nankaiza? Nankaiza? - Navalan'ny onja! J.J. Rabearivelo (Ny Mpandinika, 16 avril 1926, laharana 125, takila 121) TANALA VERY SAMPY Raha sendra misoka ny volana ambony, Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony, Ankaratra misento, ka tsy mba mitony, Andringitra no ho avy hanony ny fony. Irony domohina raha toa saraka ala, Indrisy! misento. Indrisy! fa adala? Manembona hono, fa lavi-malala - Hanova no sisa, fa sampin-tanala. Avia, ry vorona? Avia mba mikalo! Alaotra nilaozana, tomany mpandalo; Very tsiriry ka indrisy? mimalo? - Vonoiko ny sento, tsy ekeko hampivalo. Ory manjavona - Ankaratra izany? Onena misento - Ankaratra ihany Ny tsy anilan-tiana no tena tomany - Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany. Ora-midona no mety hampahatsiahy Ozom-pitia mijoro hampanahy; Toa aloka sisa, fa very fanahy? - Tanala very sampy aho, ry lahy. Samborina ve ny domohin'ny tena, Samborina ho an-kafa, hanorisorena? Indrisy! misento. Indrisy! mivena - Izaho manan-kambo tsy resy resena. Efa nisinda ilay kinta-nirina, Efa niova fangirifiriana; Orosan-tsy satry ny sento iniana? Ovao ny famindra, ka 'ndeha miova tiana. J.J. Rabearivelo (Lova, tak. 27) NOSORATANA TAO ANATIN'NY FANGORAKORAHANA I Eritreritra, nofy mangina, Hovitrovitra saika tsy re, Kopak'elatra, ho aiza? - Hiampita. - Any an'inona? - Tany tsy hita. Nefa feno ny zavatra irina, Feno azy ary be dia be... Kopak'elatra ho aiza? - Hiampita... Hovitrovita saika tsy re... Hovitrovitra... Ny antony? -Asa! Fa malemy ny nofo ka jamba! Toa fanahy no sisa mameno, Izy ihany no sisa mba heno Mampangina ny otan'ny lasa! Ny vovoka,hiverina angamba... Toa fanahy no sisa mameno, Fa malemy ny nofo, ka jamba! Dia fangorakorahana sisa... - O! mbola olombelona ihany! - Vao tanora, ka ho lasa sahady? Zanak'ondry, ka halavon'ny tady? - Eritreritro tonga madisa, Nifamatotra tsy hita lany... Vao tanora, ka ho lasa sahady? - O! mbola olombelona ihany! II Injao mihodina mora dia mora Ny eritreritro lasa mandeha. O ry fahatanorako ho fohy, Fa efa miditra ilay lava-johy Tsy ivelaran'ny tsiky tanora, Na idiran'izay rehareha! O! ry fahatanorako ho fohy, Ny eritreritro lasa mandeha! Toa voron-kiantefa any an-koatra Izany fiaingany anatiko izany Efa feno dia feno fanahy, Vonombonona, tsy mba manahy... Tebiteby, kanefa tsy loatra, Tebiteby aminao, ô ry tany! Efa feno dia feno fanahy Izany fiaingany anatiko izany! Tebiteby... Mangina! Mangina! Mangina, ô ry nofoko ho rava, Mangina, ô ry nofoko omaly! Fitsaharana anie hampifaly; Raha ho lasa, veloma, masìna, Any an-koatra, ilay Fiainan-ko lava! Mangina, ô ry nofoko omaly! Mangina, ô ry nofoko ho rava! J.J RABEARIVELO (Ny Mpandinika, lah. 128, 7 may 1926) LE CHANT INCONNU DE CHILDE-HAROLD ...Tout parle de naufrage et tout parle de mort, le signe rouge marque et couvre l'horizon... Où me mènerez-vous, mains brutales du Sort, et sur quel paisible gazon ou sur quelle herbe amère à la fleur vénéneuse m'étendrez-vous un jour à la fin du voyage? A quel but atteindra ma vie aventureuse: le fond des mers ou le rivage? N'importe! Embarquez-moi puisqu'il faut m'embarquer! Jetons un seul regard sur les feux du matin de qui la gloire vient peut-être me narguer dans les rigueurs de mon destin! Demain, c'est la ténèbre épaisse et le mystère; demain, c'est au départ le douloureux poème que puisse dire une âme attachée à la terre; demain... c'est la vie elle-même! J.J. Rabearivelo Nalaina tao amin'ny Chants pour Abeone