TSY HITONY TSY AKORY
Na dia misy olon-tiana
Hanakely ny mahory,
Sy hitondra hafaliana -
Toy hitony tsy akory !
Na dia misy anjely soa
Hanafoana sorisory,
Sy hamalifaly koa -
Tsy hitony tsy akory
Na dia manan-kery aza
Ny fitia mamorivory,
Dia sahiko ny milaza:
Tsy hitony tsy akory !
Tsy hitony tsy akory
Fa diso ny finoana
Ry raozy e, esory
Ny tsilo manoloana.
Tsy hitony tsy akory
F' efa diso fanantena !
Ny foko avela hatory,
Hanadino e, ry sena !
Eny indrisy ! tsy hitony
Fara hery : manadino.
Fa ny tsy ho tia intsony
'Zany kosa, aza mino !
J. Rabearivelo
(Gazety Diavolana laharana 229, 31 Janoary 1929)
NY ALAHELON'NY OLOMBELONA
Injay manako moramora,
toa ra mipololotra,
feo kely feno akora,
sady latsa mafy loatra,
Mitampody indray ny lasa,
ka mamoha ny efa maty,
zava-bery tsy voakasa,
sady vata hoboka aty.
Ao ny sasany tomany,
ao koa ny ketra-po!
Hisentoako eto izany,
Holazaiko ny manjo.
Fo kely iray maratra,
notsaingohim-boron-tiana,
hafaliana mahazatra,
izao re itomaniana!
Voronkely nantenaina
hiaraka ory, hiara-paly,
kanjo dia naningotra aina,
kanjo kosa nampijaly.
Safosafo tonga hoho,
tonga ratra sady fery;
hasambarana miamboho,
mba tadiaviko, ka miery!
Vata vola tsisy vody,
tsangambato very laza,
sambo vaky tsy ho tody:
ray sy reny maty zaza!
Voninkazo nokoloina,
nefa kosa ka nalazo!
Rehereha namboloina,
vao tazana dia tsy azo!
Ho lo ny ra sy ny nofo,
'zay nafindra tamin'iny!
Ny hafaliany mantsy hiofo
ho tadidy ny fahiny!
Voronkely rava akany
Zanak'ondry dia manjeny,
singan'aina ambony tany:
Ikala maty ray sy reny.
Bodo zatra tambitamby,
sy tamana angotongoty,
Vao maraina dia somamby
izany andron'ny kamboty!
Andry koa re ka lavo,
hantahanta aiza intsony!
Ny fo mangorak ilay Avo
no sisa hampitony!...
Aiza kosa re, ry tany,
izay mba mamy entinao?
Sa toloko sy tomany
no hitana lava izao?
O! afero sy mangidy,
izany ihany no fisotro,
simbanao ny sarobidy,
nitokiana sy nitrotro!
Nantenain-ko Paradisa,
ny fotoananao tontolo,
kanjo tany hay madisa,
feno angatra sy lolo!
J.-J. Rabearivelo
(Amboara voafantina, takila 86-87)
ERITRERITRA FAHAVARATRA
Mijononoka moramora ny orana avy hariva,
Ny alina madiva,
Hamonto an-torimaso ny lanitra sy tany,
Ka hitondra any ho any...
Any ho any, nefa aiza? Aiza ho aiza ry Fanahy
Toa reraka, manahy?
Aiza ho aiza no hampita izato nofinofinao
Izay mameno, no injao
Mihodinkodina ao am-po, mihodinkodina ao an-tsaina
Toa rano nafanaina?
Mitsilopilopy mora, toa mangovitra sy ory
Ny jiroko. Matory
Izay rehetra manoloana ny masoko mahery.
Aiza ho aiza no miery,
Ry Fanahy, ilay nofinofy izay namonto antsika teo?
Avia mamoaka feo,
Ka lazao am-bitsibitsika ao am-poko kely ao
Izay tena teninao,
Dia ho fantatro avokoa izay rehetra afenina ahy...
Mitenena, ry Fanahy.
Ny jiroko efa maty, ny orana efa lany;
Mangina koa ny tany,
Ka hatrao anatiko ao. Tsy misy reko intsony,
Tsy misy tsy mba tony...
Kanefa re, kanefa toa mbola be dia be
Ny fitiavako handre
Izay tena dinanao, ry vintana tsy fantatra!
Tsy mbola tena sambatra,
Sady feno tebiteby ny nofo sy ny saina
Ka he! mitaintaina!
Nihanalemy moramora ilay orana avy hariva.
Ny andro dia madiva
Hamoha ny torimason'ny lanitra sy tany
Ka hamerina avy any...
Avy any, nefa avy aiza? Avy aiza ry Fanahy
Toa trotraka, manahy?
Avy aiza no nampita ilay mba nofinofinao
Izay namonto, no injao
Mihamalefaka ao am-po, mihamalefaka ao an-tsaina,
Toa rano nafanaina?
J.J. Rabearivelo
(Kalokalo Tatsinanana, tak.10-11)
FASANA FAHAROA
Ilay fasako, fasako ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
io no fasako iray faharoa!
Tsy mba vero na mba rangolahy
no manafina an'io fasana io-
fa nofoko zary manahy
no mandrakotra omaly sy anio.
Sentosentoko mamelovelo,
ranomaso, toloko tsy tana-
Izy ireny no sarin'avelo,
mitampody ka sarotra ialana!
Ao ny nofy novolavolaina,
izay nisinda nalaky, tsy hita!
Ao no rendrika ilay nantenaina,
ilay sambo nataoko ho tafita!
Ao ny tsantan'ny andro taloha
sy ny hiran'ny fahazazako
no milevina ka tsy mifoha,
na miverina mba hitondra ako!
Ao ny zava-drehetra voakasa,
saingy simba, ka very tadidy!
Ao ny taolan'ny androko lasa,
sy ny ora tsy masi-mandidy!
Ao ny nofo nikipaka mora,
ao ny maty daholo daholo!
Ao malazo na mbola tanora,
ka mianjera tsy mana-mpisolo!
Ilay fasako, fasako ihany,
fa ny foko dia fasana koa!
Io no fasako ivelan'ny tany,
io no fasako iray faharoa!
J.-J. Rabearivelo
(Amboara voafantina, takila 85-86)
IRIKO KOA
He! sambatra ianao ry sakaiza
Manan-toerana azo ampiasaina,
Handevenana tsy ho afa-mankaiza
Izay rehetra mandreraka saina!
He! tretrika ianao manan-toby
Azonao hanangonana "indrisy!"
K'izay lasa tsy afa-mifody
Sovenira sy tsiahy aza tsisy!
Samy nofo ny anao sy ny ahy,
Vitan-dra mikoriana sy aina
Nofo lena sy zary manahy
Fa tsy vato na koa tany maina.
Fa ny ahy 'zay mba tiako ho noferana
Injao nitroatra nipoitra avokoa;
'Zary sento sy hany fitserana
No naterak'ireny tam-po.
Tsy mba maty satria raha nalevina
Tao anatin'ny foko mangina,
Vao nafenina dia nampihevina
Toa milaza: "tsarovy aho ry tiana!!"
Izay niverina tsy mba avelo,
Na tandinona saro-tazanina,
Fa dia velona tsy nieloelo
Nahatonga ny tena ho fanina!
Ny fasako fasako ihany
Fa ny foko dia iriko koa,
Mba ho fasana ivelan'ny tany
Fandevenana alahelom-po!
J.L. (1979)
NY FOKO NANIDINA
Ny foko nanidina ambony dia ambony,
ary saika hisetra izay faran'ny avo,
kanefa voadona, ka tsy afaka intsony-
naratra ny elany - ka indro izy lavo!
Naniry hihoatra anao, ry masoandro
mazava! Naniry tsy nijanona akory
na toa dia mandroso ho hariva aza ny andro:
ny alina tamy ary koa sorisory!
Koa aizina anio re no sisa mamonto,
aizi-mitambatra sy mivangongo...
Rotsiako mangina ny foko efa donto,
ary safosafoiko ny masoko bongo!
A! toa efa hionona izany alahelo...
Sy hafeniko mba hijanona angaha?
O tsia! fa ny sentoko mamelovelo,
ary izaho tsy mandre afa-tsy fofon-dra!
J.J.Rabearivelo
(Lova takila 28)
FO MITOHY
Raha lavitra azy hoe:
Toa lisy maina, toa raozy malazo,
Misento fa ory sy manina anao,
Mariry tsy fantatra. Angaha voninkazo?
Asa, tsy fantatra hatramin'izao.
Miofo ny loko, malazo ny taho,
Toa zary bozaka, tsy lisy intsony.
Tsy hehy na tsiky fa feo mitalaho,
Toa rivo-baratra tsy mba mitony
Miova ho fatana izany masoandro,
Ny rivotra koa manjary mamono:
Izany no fiainana maizina antoandro
Manolo-poizina izay mila ronono
Ny lira madinika, mozikan'Edena:
Izany tsy re, izany tsy misy;
Tsaroana fa singany irery ny tena,
Tsaroana fa bozaka ilay tsy mba lisy.
Ry vorona ery! Ry rivo-mandalo!
Andeha mba ilazao ilay tiana sy tia
Fa ketraka hoe ka tena mimalo
Ilay tsy eo anilany lavitra aty.
J.J. Rabearivelo
(Lova, tak. 16)
TSY EMBONA
Valin-kira ho an'i Samuel RATANY
Tsy mba zavatra vao,
Fa tena fahita hatramin'ny ela
Ny tahaka izao:
Raha ritra ny rano, ny sisa tavela
Dia fotaka monja -
Dia fota-mandrevo nalamin'ny onja!
Ny hany fitana:
Ny onin'ny fiainana. Anefa ka foana.
Hany ka ana
Ilay fo manantena firavoravoana
Hatrany hatrany,
Ka heriny sisa, nisotro tomany!
Kanefa, hoy aho,
Tsy hoe ranomaso voalokon'ny kiry
Na ran'ny talaho
No tonga nameno impiry, impiry
Ilay fo nitadidy-
No tonga nameno kapoaka mangidy!
Fa hany nandoko,
Dia volon-davenona hilaza fa maty
Ilay afon'ny foko
Nitsilo ny lakana nita tanatin'
Ny fahatsiarovana
Efa lavo sy lanin'ny fotoam-pahalovana!
O! rivotra adala
No sendra nandalo nanao tora-javona!
Nony efa niala,
Tsy afa-nitondra afa-tsy hery sy avona...
Ka inona foana
No tonga nanairany fanadinoana?
Etsetra, etsetra...
Dia inty aho tody fitana hafa indray;
Ary tsy mba hitsetra
Raha sendra miverina ilay fiainana iray
Izay lasan'ny taona
Nitoeran'ny foko efa nanala saona!
Nikoro! Nifono
Lavenona manja ny andro fahiny!
Mivolon-dronono
Ny kaopy nasoloko iny kaopiko iny!
Ry fahatsiarovana,
Hianao efa lanin'ny fotoam-pahalovana!
Tena zavatra vao
Sy mbola tsy hita hatramin'ny ela
Ny torak'izao:
Ny rano efa ritra - tsy nisy tavela,
Na fotaka monja!
Nankaiza? Nankaiza? - Navalan'ny onja!
J.J. Rabearivelo
(Ny Mpandinika, 16 avril 1926, laharana 125, takila 121)
TANALA VERY SAMPY
Raha sendra misoka ny volana ambony,
Raha takona mantsy, ka tsy mba hita intsony,
Ankaratra misento, ka tsy mba mitony,
Andringitra no ho avy hanony ny fony.
Irony domohina raha toa saraka ala,
Indrisy! misento. Indrisy! fa adala?
Manembona hono, fa lavi-malala -
Hanova no sisa, fa sampin-tanala.
Avia, ry vorona? Avia mba mikalo!
Alaotra nilaozana, tomany mpandalo;
Very tsiriry ka indrisy? mimalo? -
Vonoiko ny sento, tsy ekeko hampivalo.
Ory manjavona - Ankaratra izany?
Onena misento - Ankaratra ihany
Ny tsy anilan-tiana no tena tomany -
Ny lehilahy kosa tsy lavon'izany.
Ora-midona no mety hampahatsiahy
Ozom-pitia mijoro hampanahy;
Toa aloka sisa, fa very fanahy? -
Tanala very sampy aho, ry lahy.
Samborina ve ny domohin'ny tena,
Samborina ho an-kafa, hanorisorena?
Indrisy! misento. Indrisy! mivena -
Izaho manan-kambo tsy resy resena.
Efa nisinda ilay kinta-nirina,
Efa niova fangirifiriana;
Orosan-tsy satry ny sento iniana?
Ovao ny famindra, ka 'ndeha miova tiana.
J.J. Rabearivelo
(Lova, tak. 27)
NOSORATANA TAO ANATIN'NY FANGORAKORAHANA
I
Eritreritra, nofy mangina,
Hovitrovitra saika tsy re,
Kopak'elatra, ho aiza? - Hiampita. -
Any an'inona? - Tany tsy hita.
Nefa feno ny zavatra irina,
Feno azy ary be dia be...
Kopak'elatra ho aiza? - Hiampita...
Hovitrovita saika tsy re...
Hovitrovitra... Ny antony? -Asa!
Fa malemy ny nofo ka jamba!
Toa fanahy no sisa mameno,
Izy ihany no sisa mba heno
Mampangina ny otan'ny lasa!
Ny vovoka,hiverina angamba...
Toa fanahy no sisa mameno,
Fa malemy ny nofo, ka jamba!
Dia fangorakorahana sisa...
- O! mbola olombelona ihany! -
Vao tanora, ka ho lasa sahady?
Zanak'ondry, ka halavon'ny tady?
- Eritreritro tonga madisa,
Nifamatotra tsy hita lany...
Vao tanora, ka ho lasa sahady?
- O! mbola olombelona ihany!
II
Injao mihodina mora dia mora
Ny eritreritro lasa mandeha.
O ry fahatanorako ho fohy,
Fa efa miditra ilay lava-johy
Tsy ivelaran'ny tsiky tanora,
Na idiran'izay rehareha!
O! ry fahatanorako ho fohy,
Ny eritreritro lasa mandeha!
Toa voron-kiantefa any an-koatra
Izany fiaingany anatiko izany
Efa feno dia feno fanahy,
Vonombonona, tsy mba manahy...
Tebiteby, kanefa tsy loatra,
Tebiteby aminao, ô ry tany!
Efa feno dia feno fanahy
Izany fiaingany anatiko izany!
Tebiteby... Mangina! Mangina!
Mangina, ô ry nofoko ho rava,
Mangina, ô ry nofoko omaly!
Fitsaharana anie hampifaly;
Raha ho lasa, veloma, masìna,
Any an-koatra, ilay Fiainan-ko lava!
Mangina, ô ry nofoko omaly!
Mangina, ô ry nofoko ho rava!
J.J RABEARIVELO
(Ny Mpandinika, lah. 128, 7 may 1926)
LE CHANT INCONNU DE CHILDE-HAROLD
...Tout parle de naufrage et tout parle de mort,
le signe rouge marque et couvre l'horizon...
Où me mènerez-vous, mains brutales du Sort,
et sur quel paisible gazon
ou sur quelle herbe amère à la fleur vénéneuse
m'étendrez-vous un jour à la fin du voyage?
A quel but atteindra ma vie aventureuse:
le fond des mers ou le rivage?
N'importe! Embarquez-moi puisqu'il faut m'embarquer!
Jetons un seul regard sur les feux du matin
de qui la gloire vient peut-être me narguer
dans les rigueurs de mon destin!
Demain, c'est la ténèbre épaisse et le mystère;
demain, c'est au départ le douloureux poème
que puisse dire une âme attachée à la terre;
demain... c'est la vie elle-même!
J.J. Rabearivelo
Nalaina tao amin'ny Chants pour Abeone